Feno loatra ny fo
Mivadibadika ho lasa adala
Sahiran-tsaina mivadik’atidoha
Tsy sahy akory mankahala
Dia nandalo tao an-doha ireo hiran’ny namana
tia anao, mila anao
Niserana tanatin’ny nofy koa ireo tononkalon’ny havana
Mitantara , manoritra ny tantara
Ka ny tomany no solon’ny torimaso ny alina
Ny setro-tsigara no nisolo ireo teny lalina
Fa feno lotra, efa mihoatra , tafahoatra
Ho feno hadalana indray ny ho avinao
Ho feno hafanana bebe kokoa ny tantaram-piainanao
Dia ho levina avokoa ireo vavolombelo’ny niarahana
Tsy hankarary, tsy hampatsihay azy
Dia hilaozanao tokoa ireo fifaneraserana
Hanadinoana azy , tsy hampatsihay azy
Mba tsy ho tomany intsony no ho solon’ny torimaso ny alina
Tsy ho setro-tsigara no hisolo ireo teny lalina
Mba ho fifaliana, fitsikiana, kindrindrina,
(Efa ela izy izay no nandao)
(Ianao toa tsy mety mino hatramin’izao)
(Tsy aleo ve, sa, tsy aleo ve miaina ny androany)
Rahoviana ihany no handao izany nofinofy izany ianao
Diavolana firy no ahitsidika ny varavarankelinao
Rahoviana ihany no handao izany nofinofy izany ianao
Kotrobaratra im-piry no hidona ao an-tafotranonao ao.